Tontosa ny Alarobia 08 Mai 2024 lasa teo ny famelabelaran-kevitra nataon’ny BIANCO tamin’ireo mpianatra tato amin’ny CNTEMAD. Fihaonana izay notarihan’ny tale jeneralin’ny BIANCO,Atoa Laza ANDRIANIRINA sy ny Tale nasionalin’ny CNTEMAD, Atoa Lalatiana ANDRIAMIRADO, nohotronin’ireo mpiara miasa rehetra.Naharitra adim-pamantaranandro 2 mahery ny fanazavana natao tamin’ireo mpianatra mahakasika ny ady atao amin’ny kolikoly, nampitondraina ny lohateny « Lutte contre le détournement de deniers publics »
Nisy fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpanatrika ary avy hatrany dia novalian’ny tale jeneralin’ny BIANCO avokoa ireo fanontaniana napetrak’izy ireo.
Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanentanana sy nampirisihana ireo mpianatra hivondrona sy hanatevin-daharana amin’ny tamban-jotran’ny tanora mitandro ny fahitsina sy ny fahamarinana na « réseaux d’honnêteté et d’intégrité » .
Navoitran’ny talen’ny CNTEMAD nandritra ny fandraisam-pitenenany ny fahavononany amin’ny famolavolana hanànana olom-bonona mivoaka avy ato amin’ny sekoly.
Izany rehetra izany dia manamafy orina ny fiaraha miasa efa misy eo amin’ny BIANCO sy ny CNTEMAD hatramin’izay.