Sekoly fampiarana ambony am-pitain-davitra ny CNTEMAD, misokatra hoan’ireo rehetra izay mbola manana fanriana hanohy fiarana na dia efa misehatra amin’ny asa fivelomana aza fa indrindra ireo izay somary teritery fotoana nohon’ny antony maro samihafa. Manoloan’izany dia nataon’ny Talen’ny CNTEMAD, Dr ANDRIAMIRADO Lalatiana, vainton-draharaha sy laharam-pahamehana ny fanentanana ny sokajin’olona rehetra amin’ny sehatra maro samihafa, mba hiroso amin’ny fandratovana fianarana na koa ny fampiakarana ny mari-pahaizanana ananan’ny tsirairay. Faritra sy distrikta maro no notetezina nanaovana an’izany fanentanana izany, niara nisalahy tamin’izany ireo mpiasa eo anivon’ny CRTE (centre regional du télé-enseignement )
Fanamby napetraky ny talen’ny CNTEMAD ny hampiakatra ny fari-pahaizann’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka.
» Ny mahay tokoa no tsy very mandeha »
Misokatra amin’ny fiaraha miasa rehetra ny sekoly ary manana sampan-draharaha misahana an’izany: »Service de partenariat et de la relation extérieur »